Fifamoivoizana

Zotra 114 Nosamborina ilay resevera mpibeda nonom-behivavy


  • Zoma 17 Desambra 2021

Efa nosamborina ilay resevera nanao fihetsika mamoafady tamin’ny vehivavy Tovovavy iray nandeha bus 114 no nitaraina tamin'ny tambazotran-tserasera facebook omaly fa nanaovana resevera iray fihetsika mamoafady

. Raha sendra nivoaka ny bus iny ilay tovovavy dia nopotserin' ilay resevera mafy ny nonony no sady mbola nihomehezany ihany. Rehefa nitantara tamin'ny namany niray bus taminy ilay tovovavy dia nilaza ihany koa ilay namany fa nataon'ilay resevera toy izany saingy tsy nahasahy niteny fa natahotra azy . Nitondra fikorontanana ara-tsaina ho azy ireo vokatr’izany ny fihetsik'ity rresevera 30 taona ity. Manoloana izany fihetsika tsy voahevitra nahazo azy mirahavavy ireo izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy amin'ny ady hatao amin'ny herisetra tahaka izao. Tsy niandry ela izy ka tratra teny Ambohijanahary ilay resevera ary nosamborina avy hatrany hanaovana fanadihadiana. Araka ny fantatra dia tsy vao izao izy no nanao fihetsika mamoafady tahaka izao saingy izao vao nisy sahy nitaraina ka nahafahan'ny Polisy nandray ny andraikiny.
Pati
Legende : Ity ilay resevera !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT