Fifamoivoizana

Zava-doza teny amin'ny RN2 10 namoy ny ainy, am-polony naratra mafy


  • Talata 09 Aogositra 2022

Niampatrampatra ny faty tany Marovolavo any Beforona Moramanga amin’iny làlam-pirenena faha-2 vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Tao Beforona, 40 km miala an'i Moramanga raha hiazo an’I Toamasina moa no nisehoan’ity loza ity. Olona 10 no indray namoy ny ainy; ny fito maty teo noho eo ary ny iray tany amin’ny hopitaly Moramanga, ary mbola niampy 2 hafa tsy tana ny ainy, raha ny vaovao farany azo ny takarivan’ny omaly. Miisa 12 ny naratra mafy izay efa any amin’ny hopitaly Moramanga avokoa. Ny 3 amin’ireo ahiana mafy ny ainy. Fiara nitondra mpivavaka fikambanam-behivavy avy amin’ny Fiangonana FLM Morarano Toamasina nanao zaikabe tany Fianarantsoa hiazo an’i Toamasina moa ity niharan-doza ity. Voalaza fa nandeha mafy ity fiara ity ka rehefa niditra fiolanana teo Marovoalavo dia tsy voafehy intsony ka nivadika. Tsy isan’ireo namoy ny ainy moa ny mpamily, fa ny tanany no tapaka, raha ny vaovao azo omaly. Ankoatra ity tany amin’ny RN2 ity, nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona iray sy naharatrana 4 ihany koa tany amin’ny RN35, teo anelanelan’i Morondava sy Mahabo ny alahady 7 aogositra, tokony ho tamin’ny roa ora hariva. Mpanampy ny mpamily io namoy ny ainy io, noho ny fahaverezan-dra be loatra. “Sady nandeha mafy no nahenoana fofona alikaola ny mpamily”, hoy ny fitantaran’ny mpandeha. Izany no voalaza fa nahatonga ny fivadihan’ity fiara mpitatitra ity. Efa nisy fampitandremana sy fampidinana mpandeha nataon’ny polisy teo Bemanonga, saingy mbola nampiditra mpandeha hafa izy ireo tany aloha. Eo am-pelatànan’ny zandary ilay mpamily amin’izao.
NILAZA HO HENTITRA NY ZANDARIMARIA
Manoloana ny loza misesy, namoaka serasera ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa mila mitandrina ny mpamily, mila manao fitsirihana ara-teknika matetika ny fiara. Manoloana ny lozam-piarakodia matetika amoizana ain'olona maro izay vokatry tsy fahatomombanana ara-teknika (kodiarana sola, hisatra tsy tomombana ...) sy tsy fahamalinan'ny mpamily (harerahana , torimaso tsy ampy , fandehanana mafy , fimamoana , tsy fifantohana amin'ny familiana ...), hoy ny antso avo. Naneho ny zandarimariam-pirenena, fa tsapa ihany koa ny faharatsian'ny lalana amin'ny ampahan-dalana sasany. Nambara fa ho hentitra ny fitsirihana ataon'ny foibe fitsarana fiarakodia sy ny mpitandro filaminana; nanatintranitra hatrany ny fanentanana ho amin'ny fahamalinana sy fitandremana mba hisorohana ny loza mety hitranga ; nandidy ny tompon'ny fiara fitateram-bahoaka mba hikojakoja fatratra ny fiara ampiasaina. Ho hentitra ny fanasaziana ireo izay minia mandika ny lalànan'ny fifamoivoizana sy ny fitaterana ary ny bokin'andraikitra, hafainganina ny fikojakojana ny lalam-pirenena,… hoy ny zandarimariam-pirenena. Matetika moa aorian’ny loza mahatsiravina tahaka itony no miverina hatrany ireo fampahatsiahivana ireo.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT