ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Nanome toro-marika ireo mpitondra taxi-moto


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Nanome toromarika ireo mpitondra taximoto any amin'ny kaominina ambanivohitra ny zandarimariam-pirenena

nefa miantefa amin’ireo manao ity asa ity eto an-drenivohitra ihany koa. Rehefa mahazo mpanjifa tsy mahazatra dia tokony alaina ny laharam-pindain’izy ireny. Rehefa handeha lavitra koa dia mba antsoina ny vady hahafantarana ny toerana aleha. Tokony mijanona rehefa sakanan'ny polisin’ny lalana ary mifampiresaka. Raha vao mandalo toerana tsy milamina na mangingina anaty kirihitra dia tsy tokony hijanona mihitsy fa aleo any amin’ny toerana be olona. Farany moa dia tokony handray ny laharan'ny mpitandro filaminana akaiky azy ireny mpitondra taxi moto ireny na izay lalovany hahafahana mifampiantso haingana raha sanatria sendra olon-dratsy. Tsiahivina moa fa maro ireo mpitondra taxi moto efa namoy ny ainy sy naratra mafy tamin’ny fanaovana ity asa ity, antony manosika ny zandarimariam-pirenena hanome ny toro-marika hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany amin’izany ity mpitondra taxi-moto iray ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT