Fifamoivoizana

Zandarimariam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny “Police de la route”


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Ny 95%-n`ny lozam-pifamoivoizana dia avy amin`ny tsy fitandreman`ny mpamily avokoa na fitondrana fiarakodia ao anaty fahamamoana na fitondrana fiarakodia mafy loatra…

 

 

 

  Tamin`ity taona ity dia nahatratra 226 no namoy ainy izay avo roa heny noho ny tamin`ny taon-dasa ka nahitàna tranga 152. Handray fepetra hisorohana sy hanalefana ny lozam-pifamoivoizana ny zandarimariam-pirenena ka averina ireo zandary miasa eny an-dalàna (police de la route) hanara-maso sy handrindra ny fifamoivoizana. Manaiky ny zandary fa manana anjara andraikitra izy ireo fa kosa mila fahatsapantenan`ny mpamily. Araka ny fanazavana nentin’ny jeneraly Njato Andrianjanaka,  lehiben` ny kaomandin`ny zandarimariam-pirenena omaly teny amin’ny toby Ratsimandrava, dia hiverina miasa toy ny teo aloha zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana manerana ny Nosy, izany hoe na an-tanàn-dehibe na eny amin’ny lalam-pirenena,  saingy amin`ny endriny vaovao. Hisy fiaran`ny zandary hivezivezy sady manao fandriampahalemana amin`ny lalana. Raha tsiahivina dia faramparan’ny volana febroary lasa teo no nanapa-kevitra ny governemanta fa hatsahatra ao anatin’ny fotoana tsy voafetra aloha ireo pôlisy sy zandary manao ny PR mba hialàna amin’ny kolikoly ataon’ireto farany amin’ireo mpampiasa fiara. Maro amin`ny mpitondra fiara sy moto no velon-taraina amin`ny afitsok`ireo mpitandro ny filaminana sasany manara-maso sy mandamina ny fifamoivoizana fa tena tsy manaiky mihitsy izy ireo raha tsy omena vola, araka ny nambaran`ireo izay efa niharan`ny “otra”. Ny kaomandin`ny zandarimariam-pirenena dia mbola nanamafy fa tsy handefitra amin`ireo zandary mitsivalam-pandry ary tsy misy ambonin`ny lalàna na iza na iza fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna ho an`ireo izay tratra mandika azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT