Fifamoivoizana

Vonjy voina an-dranomasina “Hatsaraina ny drafitra nasionaly”


  • Talata 28 Desambra 2021

Hakana lesona amin’ny ho avy, tsy hisian’ny loza intsony, ary hanatsarana hatrany ny zava-nisy ny raharaha sambo MS Francia II,

hoy ny teo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina omaly. Ankoatra ny fanadihadihadiana ara-teknika sy ara-keloka, dia zava-dehibe ny fanintsiana na “rédressement” amin’izay zavatra tokony ahitsy mba tsy hitrangan’ny loza, ka isan’ny akaiky indrindra ny fanamafisana ny fisavana ny sambo rehetra manao fitaterana na olona io na entana ho an’ireo sambo misa any Mananara, Sonierana Ivongo Vavantenina, Maroantsetra, hoy ny Tale Jeneralin’ny APMF Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina. Hisy ny fanamafisana ireo olona mpanara-maso any an-toerana. Ho an’ny antenantenan’ezaka, dia efa any an-toerana ny sambo natao hamonjy voina an-dranomasina. Ny farany teo, dia nametraka sambo ihany koa ny BNGRC ao Sonierana Ivongo hanamafisana ny fitaovana efa misy. Ny tafika, dia efa manana fitaovana ihany koa ao Sainte Marie. Ny mila hatsaraina dia ny hoenti-manana na “logistique” ahafahana manetsika ireo, ary efa voajerin’ny APMF ny tetibola hanetsehana an’ireo raha misy ny loza, ka tsy tokony ho olana intsony izany. Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera sy rantsa-mangaika manana fitaovana azo ampiasaina amin’ny vonjy voina an-dranomasina. Hisy fantsarana ny drafitra nasionaly momba ny vonjy voina an-dranomasina ahafahana manatsara bebe kokoa. Hojerena akaiky ihany koa ny “cycle de vie de la navire” miainga any amin’ny fanamboarana, any amin’ny fotoana fiasan’ny sambo (phase d’expolitation), fisafoana eo am-piaingana (foramalité de partance), ny faharetan’ny fitaovana hoentina miatrika ny aroloza, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny APMF.

Notsipihin’ny Tale Jeneralin’ny APMF kosa fa mitaha amin’ireo loza tany aloha izay tamin’ny sambo Elisabeth II ny aogositra 2014 no isan’ny goavana, dia hita taratra ny fahafainganan’ny fidirana an-tsehatra na “intervention”, tamin’ny sambo Francia III ka nahafahana nahazo vokatra tamin’ny famonjena ireo aina mbola velona. Nisy ny fandraisana anjara mavitriky ny sampan-draharaha samihafa, ka tao anatin’ny 3 andro dia efa saika hita avokoa ny ankamaroan’ny olona.
Toky R
Ny Tale Jeneralin’ny APMF nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT