Fifamoivoizana

Vondron’ny mpitatitra FMA Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ho 500Ar


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Voatazona hatrany hatreto ny hiakaran’ny saran-dàlana ho 500Ar ho an’ny Fikambanan’ny mpitatitra mivondrona ao anatin’ny FMA (Fitaterana Mendrika eto Antananarivo) ahitana koperativa miisa 8 eto an-drenivohitra, dia ny zotra 109, 143, 163, 165, 166, 172, 192, 194 manomboka ny 1 aogositra.

 Nandamoka mantsy ny fifampiresahana tamin’ny solontenan’ny minisitera na dia naharitra adiny telo aza ny fifampidinihana omaly. Nangataka ny hanemorana io fotoana io ny minisitera, fa nolavin’ireo mpitatitra. Nampitaina, fa vonona ny vola fanampiana ho an’ny mpitatitra, izay hivoaka manomboka amin’io herinandro io. Efa an-dalana ihany koa ny famoahana ny vola 5 miliara handoavana ny fanampiana ho an’ny volana novambra sy desambra 2017. Tsy naharesy lahatra ny mpitatitra anefa izany. Miankina amin’ny fiara tsirairay kosa ny hisian’ny tapa-dalana na tsia, hoy izy ireo. Hihamafy kosa ny resaka fampanarahan-dalàna, toy ny tsy maintsy hisian’ny tapakila ho an’ny mpandeha.  Andrasana ihany koa amin’izao fiafaran’ny volana izao ny fiovan’ny vidin-tsolika na hiakatra na hijanona amin’io, fa raha ny fampidinana aloha toa sarotra inoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT