Fifamoivoizana

Vondron’ny koperativa Fasan’ny Karana Mampitandrina ny fanjakana


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Raha tsy hainareo fanjakana no manao fifampiraharahana ny mikasika ny tany kely etsy amin’ny Fasan’ny karana io, dia tsy ampahafirin’ny tany nalain’ny Filatex io, ka omeo alalana izahay hanao izany any aminy, hoy Rafidinjatovo, mpitarika ny vondron’ireo koperativa miasa etsy amin’ny Toby fiantsonan’ny fiara eny amin’ny Fasan’ny Karana.

 

Tsy ampahafirin’ny tany nalainy io, ary mampitandrina ny fanjakana izahay hoe tsy teo ianareo raha tsy misy vahoaka, ka aza ailikilika, izahay hoy izy. Mifanaraka amin’ny mpanam-bola vahiny, dia ny Malagasy eto amin’ny taniny hailika, hoy hatrany ity mpitarika ity. Miantso ny vahoaka Malagasy sy izay mampiasa ny tobim-piantsonan’ny fiara eny amin’ny Fasan’ny Karana satria misy, hoy izy, ny antsonjay ataon’ny mpanao ny fampihodinan-draharaha vonjimaika eto amin’ny tany sy ny firenena, ary hitorahanay voninkazo manokana ho an’ny filoha teo aloha niresaka ny fanarahan-dalàna sy fanajana ny lalàna nametrahany fialana. Ankehitriny anefa, dia mbola misy ny miezaka handika lalàna amin’ny alalan’ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao eny Ambohimanambola, ka miezaka hanala azy ireo maika eny amin’ny Fasan’ny Karana. Tsy misy ambonin’ny lalàna eto, ary ankatoky ny propagandy izao, ka aza mamboly korontana satria tsy tokony hisy mahazo mitokantokana fotodrafitrasa raha tsy misy filoha voafidim-bahoaka indray.  Mampitandrina ny fikitikitihana ny toby fiantsonan’ny fiara ireo, izay milaza fa misy ambadika io.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT