Fifamoivoizana

Vondron’ny Mpitatitra An-tanŕn-dehibe Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony ireo koperativa mivondrona ao anatin’ny UCTU na ny vondron’ny mpitatitra an-tanan-dehibe, hoy ny filohany Andriambinintsolomora Bernardin, omaly.

Lainga ny nambaran’ny filohan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety,  hoy izy  fa efa voaloa avokoa ny fanampiana tokony ho nomena anay  ny taona 2015. Ny taona 2016 no efa nisy voaloa  dia ny volana novambra sy desambra ihany izay mbola  nahena hatrany amin’ny ampahatelony ihany koa aza. Nanambara Andriambinintsolomora Bernardin fa tsy matahotra ny fandrahonan’ny ATT ny amin’ny tsy hahazoany fanampiana intsony izy ireo satria efa nampiakatra saran-dalana ho 500 Ar. Inona no tsy maintsy hanerena anay mpitatitra  hampidina ny saran-dalana ho 400 Ar nefa ny  kapoakam-bary miakatra, ny siramamy miakatra, ny legioma miakatra, ny menaka miakatra… tsy misy miteny. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny intsony izy ireo sady tsy manantena ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana intsony ihany koa izay lasa  kobaka am-bava fotsiny ihany. Tsikaritra fa mbola misy amin’ireo koperativa mpikambana sasany no mbola  mijanona ho 400 Ar ihany ny saran-dalany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT