Vokatry ny orambe

Tapaka ny RN 6


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Vokatry ny orambe nitranga tany an-toerana dia tapaka ny

lalam-pirenena faha 6 na RN 6 ao Andabatoara, kaominina Marivorahona Ambilobe, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsy misy fiara afaka mandeha noho ny fihoaran'ny rano eo amin'ny arabe. Raha tsy maintsy miampita, noho izany, dia tsy maintsy miharitra amin’ny dia an-tongotra. Hajanona eny am-pita ny fitaovam-pifamoivoizana toy ny fiara sy kodiaran-droa. Ny mety ho sanatria fisian’ny voay tampoka anaty rano miandrona tahaka itony koa anefa mbola tsy hay tsy hay fa dia sanatriavina sy hivavahana mafy ny mba tsy hisian’izany aloha.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT