VOKATRY NY FITOHANANA ETSY BEL’AIR

Zara raha mitondra 5.000 Ar mody sisa ny taksibe


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny amin’ny fitohanana lavareny ateraky ny asa fanamboaran-dalana etsy Bel’Air,

Kaominina Antananarivo renivohitra ireo taxi-be mampiasa iny lalana iny. Raha ora iray mandroso mantsy no lanin’izy ireo teo aloha raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray dia lasa ora roa sy sasany izany amin’izao. Vokany, tsy mitondra afa-tsy 5.000 Ar mody sisa ny mpamily sy ny mpanampy azy hialan’ny volan’ny mpampiasa. Mihena ihany koa mantsy ny mpandeha raha araka ny fanazavan’ity mpamily ity hatrany. Aleon’ny olona mifoha marainabe dia mandeha dia an-tongotra miala ny fotoana lany amin’ny fitohanana raha misy koa ireo mandeha taxi-moto ho an’ireo manana fahafahana ny hanao izany. Nomarihin’ity mpamily taksibe iray ity hatrany moa fa nisy tamin’ireo naman’izy ireo no efa noroahin’ny mpampiasa azy fa tsy nahafeno ilay 70.000 Ar henjehina isan’andro. 50.000 Ar ihany mantsy no tratrany vokatr’izay fitohanana lavareny izay.
Pati
Legende : Anisan’ny tena miaina io fitohanana io ireo taksibe mandalo eto Antanimena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT