Fifamoivoizana

Vohipeno sy Farafangana Azo hohanina tsara ny lalana


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Vita hatreo ny nofy ratsin'ny mponina eto Ambohimanarivo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo. Vohipeno izay mihosom-potaka hatrany rehefa mivoaka ny trano noho ny haratsian'ny lalana teto,

hoy izy nandalo tao an-toerana. Miova endrika tanteraka ihany koa ny tanàna. Tanteraka teto ny toromarika nomeko ireo tompon’andraikitry ny faritra ny tsy maintsy hanamboarana ireo lalan-kely izay mampifandray ny kaominina sy ny isam-pokontany mba hipaka hatreny ifotony ny asa fampandrosoana tanterahintsika. Vita araka izany ny lalan'Ambohimanarivo izay nampitondraintsika ny anaran'ny Olon-tsambatra « Lucien Botovasoa ». Vita rarivato ihany koa ny lalana ao Impitiny Farafangana. Faly ny mponina. Afapo ihany koa ny tenako mijery ny kalitaon'ny asa vita taty Vohipeno sy Farafangana, hoy hatrany izy. Vita tara tanteraka ihany koa ny lalana mampitohy an'i Vohipeno sy Farafangana, manomboka eo amin'ny Pk 185 + 650 ka hatramin'ny PK 207 + 745, izany hoe 22 km eo amin'ny lalam-pirenena faha-12 izay lalan-tany teo aloha. Avy amin'ny volam-panjakana madiodio moa ny nanatanterahana asa fanamboarana rehetra. Samy resy lahatra ny rehetra tany an-toerana fa hanampy ny mponina izao fahavitan’ny lalana izao; resaka izay manaporofo hatrany fa ilaina amin’ny fampandrosoana isam-paritra sy ny fampandrosoana firenena ny lalana fa ttsy tahaka ny esoeson-teny natao fahiny nanenjehana an-dRavalomanana hoe : ny lalana angaha azo hohanina. Misy amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ankehitriny mantsy nanao izany vavabbe izany ny taona 2008 sy 2009.Eo amin’ny fitondrana izy ireo ankehitriny dia mahatsapa fa tena ilaina tokoa kay ny lalana. Fa etsy ankilan’izay ho hita eo izay hitranga amin’ny fihavian’ny fahavaratra na ao amin’ny tena kalitao ilana azy tokoa ireto lalana ireto na sanatria ho toy izay mitranga amin’ireo sekoly lazaina fa manara-penitra sasany indray nefa mitete sy ombana toeram-pivoahana manara-pofona.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT