VOASARY IVATO

Vita ny ilay lalam-potaka nampikolay ny mponina


  • Talata 09 Janoary 2024

Vita ilay lalam-potaka nandrevo teo aloha nampitaraina fatratra ireo mponina ao

Voasary kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Saika nivarina tamin’ity lalana ity avokoa mantsy ireo maloton’olombelona sy ny biby fiompiana ka tsy hifankahitana izany isan’andro indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Niezaka ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa nanoloana izany ka tsy ampy hataon’ny bisikileta iray 5 minitra ny lalana avy eny amin’ny arabe miditra ao amin’ny tananan’i Voasary amin’izao raha nahatratra ora iray teo aloha. Faly ny mponina noho izany ary manantena ny mbola hitohizan’ny asa manerana ny tanana. Natao beton mantsy ny foto-drafitrasa. Tsiahivina moa fa efa marobe ireo tanana ao Ivato no nisitraka foto-drafitrasa tahaka izao saingy mbola misimisy ihany koa ireo tsy mbola nahazo ny anjarany.
Pati
Legende : Vitan’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa beton tahaka izao ny lalana ao Voasary Ivato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT