VOAPOTSITRY NY FIARABE SAIKA HOENTINY

Mpamily iray maty tsy tsa-drano tao Ambohimandro


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Maty tsy tra-drano ilay mpamily fiarabe voapotsitry ny fiara saika ho entiny.

Tany Ambohimandroso, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany ny 02 May lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy 40 minitra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia isy fiarabe iray niantsona teo amin'ny sisin'arabe noho ny fahasimban'ny lohamitarika. Voatery nanafatra lohamitarika hafa ny mpamily vokatr’izany mba hitondra io voditaritina mivesatr'entana io ho any amin'ny fitodiany. Ningaina ny "béquilles" mba hanalana ny lohamitarika simba sy hametahana lohamitarika vaovao.Nandritra izany no nitsofoka tao ambony kodiarana aoriana havanan'ilay fiara lohamitarika ny mpamily iray mba hikitika ny sandry mibaiko ny "ballon" ho an'ny lohamitarika hilatsaka tsimoramora no nilatsaka ambany be tampoka ny kodiarana ka tsy nahatazona ilay voditarisina izay mivesatr'entana ka tsy voatazon'ireo "béquilles". Tery tao ny lohany ka tsy tra-drano ny ain'ilay mpamily. Tsy misy azo natao intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fiara vaventy simba sy ilay mpamily namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT