Fifamoivoizana

Voafitaka ny vahoakan’i Faratsiho Tsy hisy indray ny asa fanamboaran-dalana


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Any Ampefy mandalo Soavinandriana sisa amin’izao no lalana hahafahana miditra ao Faratsiho, Faritra Vakinankaratra. Potika tanteraka mantsy ny lalana avy any Sambaina, lalam-pirenena fahafito mihazo an’ity distrika iray ity rehefa tsy nisy fanamboarana an-taonany maro.

Mahatsiaro ho sahirana ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana vokatr’izany amin’ny famoaham-bokatra. Ho an’ireo marary mila fitsaboana maika tsy maintsy hoentina any Antsirabe moa dia mamoy ny ainy eny an-dalana ny ankamaroan’izy ireny. Nampanantena ny hanamboatra ny lalana mampitohy an’i Sambaina sy Faratsiho ny fitondrana mijoro ankehitriny saingy toa nivadika izy ireo. Raha araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia efa nakarina eto an-drenivohitra indray ireo fiara lehibe mpanamboatra lalana saika hanamboatra io lalana io noho ny antony tsy fantatra. Maromaro ihany izy ireo raha ny loharanom-baovao ary tsy nisy niverina intsony. Mahatsiaro voafitaka ireo vahoakan’i Faratsiho ka andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT