Fifamoivoizana

Vinaninkarena Antsirabe Maty nofaohan’ny kamiao ilay mpitondra cyclo-pousse


  • Zoma 11 Martsa 2022

Olona roa no maty nofaohan’ny kamiao ny marainan'ny talata 08 martsa teo, tany Alavarano avaratra Vinaninkarena Antsirabe.

 Nianatra nitondra "cyclo pousse" izy roalahy voadona ireto raha araka ny loharanom-baovao voaray. Tsy nahafehy ny familiana anefa izy ireo raha ny fantatra ka nifatratra tamin'ny kamiao nandeha ary dia voafaoka. Noho ny habetsahan'ny rà very tamin’izy ireo dia maty tsy tra-drano izy roalahy. Efa tonga naka ny razana tany an-toerana moa ny fianakaviany. Efa natao famotorana kosa ny mpamily ilay fiara nandòna azy ireo. Ilana fitandremana hatrany araka izany ny fandehanana eny amin’ny arabe na ho an’ny mpandeha an-tongotra izany na ho an’ireo mpitondra fiarakodia. Lahitokana mantsy ny aina ka tsy tokony hanaovana sangisangy izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT