VERY HASINA ANTANANARIVO

Feno taxi-bisikileta, posy, sarety ny lalana


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Very hasina tanteraka ny tananan’Antananarivo.

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny resaka fahadiovana sy fandrindrana ny fifamoivoizana fa samy manao ny hataony avokoa ny tsirairay. Anisan’ny tena mahavaky vava ny maro no sady mahalasa saina ny zava-mitranga etsy Anosibe isan’andro. Ankoatra ny hamaroan’ny olona mahatratra an’arivony isan’andro mifamezivezy mantsy dia tsy lazaina intsony ny hafitsok’ireo mpitondra taxi-bisikileta, ny taxi-moto,ny posy ary ny sarety. Mila tsy hisy lala-kodiavina intsony eny amin’ny arabe fa mifangaro tanteraka ny akoho sy ny vorona indrindra raha vao maraina iny. Ireo mpivarotra amoron-dalana tsy lazaina intsony izay efa mila ho tonga eny amin’ny antsasaky ny arabe…Reraka vao maraina ny saina, atahorana ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana hitranga indrindra fa ho an’ireo taxi-bisikileta. Miantso ny mpitantana ny tananan’Antananarivo renivohitra manoloana izany ireo mpampiasa lalana eny amin’iny faritra iny fa tena mihoam-pefy loatra ny tsy fanarahan-dalana sy ny gaboraraka miseho eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa.
Pati
Legende : Gaboraraka tahaka izao ny tananan’Antananarivo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT