Fifamoivoizana

Velon-taraina ny mpitatitra Tsy navela niditra teto Antananarivo ireo taksibrosy


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Velon-taraina ireo mpitatitra tetsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 Raha araka ny fanazavan’izy ireo mantsy dia taksibrosy maromaro avy any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny no tsy navelan’ny mpitandro ny filaminana niditra teto an-drenivohitra fa nosakanany tao Antsirabe, nahazoam-baovao tahaka izany hatrany Betafo. Anisan’ny antony nahatonga izany ny ahiahian’ireto farany ny amin’ny mety hisian’ny olona avy any amin’ny faritra hamonjy ilay hetsiky ny Miara-manonja natao tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nahatsiaro ho sorena vokatr’izany ny ankamaroan’ireo mpandeha tao anatin’ireo taksibrosy voakasika ireo. Ora maromaro mihitsy mantsy vao navela nandeha ny fiara nitondra azy ireo nefa mbola maro ireo lavi-podiana sy maika hamonjy zavatra. Nahitana tranga tahaka izany ihany koa teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) .Tsy nisy fiara afaka niditra taty Antananarivo ny avy any Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Arivonimamo…tany ho any amin’ny tamin’ny 4 ora tolakandro tany vao niverina tamin’ny laoniny ny fifamivoizana.Miantso ny amin’ny tsy tokony hampidirana resa-politika amin’ny resaka fitaterana araka izany ireo mpitatitra na haha-matotra kokoa ny fepetra raisina amin’ny manaraka satria tsy voatery hamonjy miara-manonja avokoa ny ao anaty taksibrosy ary ireo olona manan-draharaha maika dia tena voa mafy tokoa.Etsy ankilan’izay fandikàna lalampanorenana tsotra izao ny fanakanana ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana kanefa tsy ao anaty vanim-potoana nambara araka ny lalàna miavaka akory ny firenena, hafa indray mantsy ny fipetrany raha toa hoe tany miady na miatrika valanaretina. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-12 no mamaritra ny zon’ny olom-pirenena hivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, saingy tsy nahamenatra ny Fitondrana ny nanome baiko hisakanana ny olona noho ny kajikajy politikany. Tsy nisy fialan-tsiny sy fanazavana avy amin’ny Mpitondra Fanjakana, fa dia baiko midina sy didy jadona tsotra izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT