Fifamoivoizana

Vangaindrano Nahatrarana rongony, toaka gasy ilay sprinter


  • Alarobia 08 Jona 2022

Fiara Sprinter avy any Vangaindrano hiazo an’ Antananarivo no tratra nitondra rongony 11 fonosana, milanja 10,55 kg, kafe 03 gony milanja 137 kg,

ary toaka gasy 35 litatra ny alahadin’ny pentekosta teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Nandritra ny sakana nataon’ny zandary teo Amporoforo izay vavahady mivoaka ny Faritra Atsimo Atsinanana no nahatrarana azy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsy neken’ny mpamily ny hisavana ity fiara ity.Rehefa nantsoina ny kôperativany dia nilaza fa tsisy fiara afaka hamindràna ireo olona ireo ka nampanaterina tany Vohipeno ny mpandeha dia nafindra ary naverina tany Farafangana ilay fiara sy ny mpamily roalahy. Rehefa tonga tao Farafangana anefa io fiara io dia nosavaina ka tratra tao anatin’ny fitoeran'entana namboarina manokana ireo zava-boarara ireo. Nogiazana avy hatrany ilay fiara noho izany. Ireo rongony sy toaka gasy kosa dia notaterahina nentina hopotehina.Ankoatra izay dia hanaovana fanadihadiana ihany koa ireo mpamily 02 lahy nitondra an-tsokosoko rongony sy toaka gasy ary ny tompon'ny kafe. Hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity ny raharaha.
Nangonin’i Pati

Legende : Ilay fiara sy ireo entana voarara tao anatiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT