Fifamoivoizana

Valy bontan’ny Taxi Fitokonana faobe amin’ny 30 aogositra


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Tontosa soamantsara ny diabe nataon’ireo Taxi-moto omaly, niazo an’I By Pass iny. Tsy nisy sakantsakanana fa nomen’ny manam-pahefana alalana soa aman-tsara.

Izy ireo izay mitaky ny hanekena azy ho isan’ny fitaterana ara-dalàna eo anivon’ny kaominina Antananarivo. Tsara ny mampahatsiahy etsy andaniny, fa mandà sy mitsipaka izany marindrano ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR tarihin-dRtoa Clémence Raharinirina. “…Efa nanondrana ianareo ny andron'ny 09 aprily 2022 nisamboranareo ahy teny Ankorondrano sy nanomezanareo alalana ireo taxi-moto hanao diabe. Tena diso fantatrao tsara atoa Prefet fa efa tsy lany teo Filankevitry ny tanàna ny fanomezan-dalana ny taxi-moto hiasa eto Antananarivo (olom-boafidy 49 amin’ny 54 no nitsipaka izany, ary io irery no hany lahadinika notsipahan'ny mpanolotsaina) koa ankehitriny dia ianao mihitsy no voalaza fa mbola manome alalana azy ireo hanao diabe aza hoe: “Izahay aloha aza anaovana fika masiso an! Efa hitanay fa ianareo ihany no ao ambadik'io taxi-moto io, dia mody hoe asaina manao diabe dia omena “autorisation” dia avy eo averina anatin'ny lahadiniky ny filankevitra monisipaly ilay lahadinika nefa efa 49/54 no nanao tsia tamin’ny aogositra 2021, ary tsy mbola nisy fandresena mihezinezina toy izany hatrizay naha mpanolontsaina anay. Mody lazaina fa ny mpanonontsaina Toavina Ralambomahay no nandefa an'io tao, fa angaha Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo afaka mampiditra lahadinika ao amin'ny Filankevitra monispaly, f'angaha ireo mahafeno maro an'isa 28? Noho izany, tonga soa ny fitokonana faobe amin’ny 30 aogositra araka ny efa notapahan'ny taxi folo andro lasa izay…. Zakao Basy! Andao ary!”, hoy ny Filohan’ny FTAR. Tsara ny mampahatsiahy, fa tamin’ny fivoriambe ny 12 aogositra nataon’ny Taxi tetsy Antohomadinika no efa nilazan’izy ireo fa hanao haneho ny heriny izy ireo, raha toa mianakendry hanao amboletra hampiditra ny lalàna efa tsy lany ny kaominina. Tantara mitohy!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT