Fifamoivoizana

Vakinankaratra Andrasana ny fanamboarana ny lalana


  • Zoma 15 Jolay 2022

Mampitaraina ireo mponina ny fahapotehan'ny lalana ao Vakinankaratra ao. Mbola tsy niverina fa vao mainka niha rotika noho ny hita tamin'ny 1 volana,

araka ny efa nitaterana azy teto aza, ny fahapotehana tsikaritra manomboka eo Sambaina. Antsirabe tampon-tanana, izay renivohitr'ity faritra ity, aza moa dia hita ho miha mitombo ireo kilavadavaka amin'ireo arabe. Miandry ny rehetra. Aiza ihany ny fandraisan'andraikitr'ireo tomponandraikitra miadidy ity faritra? Aiza ny governora izay manana ny biraony ao an-tampon-tanana? Iaraha-mahalala fa fanoitra goavana amin'ny fifamezivezen'ny vokatr'ireo tantsaha ny lalana. Vakinankaratra izay ahitana ireo maro an'isa amin'ny fihariana momba ny fambolena sy fiompiana. Tena manana finiavana hampandroso ilay faritra sy ny firenena tokoa ve ireo tomponandraikitra ?
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT