Vahaolana amin’ny fitohanan’ny fiara

Efa vonona ireo « Feux tricolores » azo baikoana amin’ny Finday


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Tsy resaka hoe nafarana dia mbola eny ambony sambo fa efa niomana isika ary izay notenenina

dia tanterahina hoy i Tahina Razafinjoelina androany. Tonga ireo jiro miloko telo na « feux tricolores » apetraka amin’ireo kihon-dalana eto Antananarivo renivohitra mba handaminana ny fifamoivoizan’ny fiara. Anisan’ny vahaolana hampihenana ny amboteiazy na tohamboivoy izy io. Tsy miankina amin’ny Jirama fa mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary misy solosaina kely ao anatiny. Afa mibaiko ny jiro mirehitra amin’ny « feux tricolores » ireo polisy mandamina ny fifamoivoizana amin’ny alalan’ny « application » ao anatin’ny finday, izay mifandray avy hatrany amin’ilay solosaina kely ao amin’ireo jiro miloko telo. Rehefa mena, mijanona ny fiara, maitso afaka mandeha tsara, mavo mandeha tsimoramora. Singa iray ao anatin’ireo vahaolana amin’ny tohamboivoy ihany ny « feux tricolores » fa mbola azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo « camera de surveillance » sy ny « drone » mba hitsirihana hoe aiza no mitohana, aiza no malalaka, misy inona mitranga ? Tsara marihina fa vola amina am-polony miliara ariary isam-bolana no very vokatry ny amboteiazy eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.Tsy lazaina intsony ny fotoana very sy ny fahasorenana.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT