Fifamoivoizana

UCTU Tsy mbola hampiakatra saran-dalana indray anio


  • Talata 05 Jolay 2022

Asa na noho ny tahotra na noho ny antony hafa fa tsy mbola hampiakatra saran-dalana indray ny vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU.

Raha tsiahivina mantsy dia anio talata 05 jolay no fotoana notondroin’izy ireo hanaovana izany fampiakarana saran-dalana izany ary 1.000 Ar no voafaritra sy tapak’izy ireo. Tsy mbola afaka manatanteraka izany anefa izy ireo. Mbola miandry ny antso hataon’ny Fitondram-panjakana mantsy ireo mpitatitra hahafahana manapaka izay saran-dalana zakan’ny sarababem-bahoaka. Tsy neken’ny fanjakana rahateo ilay 1.000 Ar no sady mbola hiandrasan’izy ireo ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika ihany koa. Miankina amin’ny marimaritra iraisana hifanaovana amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika araka izany no hijeren’ny Fitondram-panjakana ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana izay vao hampitaina any amin’ireo mpitatitra, fanapahana izay tsy maintsy hiarahan’ny roa tonta mikaon-doha ihany koa.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT