TUC TUC NANDONA OMBY

Maty tsy tsa-drano ilay vehivavy tao anatiny


  • Zoma 22 Desambra 2023

Samy manana ny fomba hahafatesany ny olona tsirairay avy.

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo, tsy nanampo na inona na inona rehefa nivoaka ny trano nandeha nividy entana no maty tampoka rehefa nandona omby ilay tuc tuc nitondra azy omaly. Tao Anjavilava Fanambana, distrikan’i Vohemar no nitrangan’izany. Nivadika mihitsy ilay tuc tuc vokatry ny dona mafy nahazo azy tamin’ilay omby niampita ka voatsindry tao ilay vehivavy. Vokatry ny dona mafy nahazo azy sy ny rabe very loatra ihany koa no voalaza fa antony niteraka ny fahafatesan’ilay vehivavy. Tsiahivina moa fa rehefa ny tuc tuc no mivadika tahaka izao dia matetika handratrana na hamoizana ain’olona hatrany. Betsaka mantsy ireo mihevitra azy ireny ho fitateram-bahoaka madinika tsy dia maninona nefa mitovy amin’ny kodiaran-droa toy ny moto ihany, indrindra fa rehefa tra-doza.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty rano tahaka izao ilay tuc tuc no nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT