Fifamoivoizana

Tsy nanao aroloha Mpitondra moto70 indray no tratran’ny polisy


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Nifanesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Roa isan’andro izany raha kely.

 

 

 

Taorian'ny fanentanana natao tao amin'ny pejy facebook-n’ny polisim-pirenena sy teny an-dalambe ho an'ireo mpitondra moto dia niroso tamin'ny fanasaziana ny polisim-pirenena. Tamin’ny Sabotsy maraina teo fotsiny ohatra dia miisa 70 ireo mpitondra moto tratra tsy nanao aro loha. Tsy nisy intsony ny fandeferana fa avy hatrany dia notanana teny amin'ny biraon'ny polisy avokoa ireo moto hita fa tsy manara-dalàna. Hisorohana amin'ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny fiarovana ny ain'ireo mpandeha moto sy ny mpampiasa lalana hafa moa no anton'izao hetsika izao.Tsara ny manamarika fa tsy ny mpitondra moto ihany akory no tokony hitandrina sy hanara-dalàna fa ny mpampiasa lalana rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT