Tsy filaminana eny

amin’ny seranam-piaramanidina


  • Zoma 15 Mey 2026

Misy tambazotra manenjika

mafy ny minisitry ny fitsaràna, talen’ny ACM, diaspora…
Mitohy hatrany ny trangana fanenjehana mafy sy fitsikeràna ny fitondràna ankehitriny ataona tambazotra samihafa, izay misy manombana ho iraka avy amin’ny fitondràna teo aloha. Malaza ny fiandohan’ity herinandro ity indray fa misy tambazotra manenjika mafy ny minisitry ny fitsaràna, Fanirisoa Ernaivo, sy ny tale jeneralin’ny ACM na ny sampan-draharaha misahana ny habakabak’i Madagasikara, Faniry Alban Rakotoarisoa. Isan’ny voatonotonon’ity tambazotra ity ihany koa ny anaran’ny diaspora mandraharaha any am-pitan-dranomasina, Tovo Ratovoarisoa. Milaza ity tambazotra ity fa miodina amin’ireo olona miisa 3 ireo ny famoahana sy fampidirana entana tsy ara-dalàna eto amin’ny firenena, tsy misy fiantsoana tolo-bidy sy ny toy izany ihany koa, ary nitanisa anarana orinasa maromaro mihitsy moa ity tambazotra ity. Orinasa izay ambarany fa manan-draharaha ao anatin’izany ambaran’izy ireo fa isan’ny fanodinkodinana fananam-bahoaka izany. Nilaza moa ny diaspora voalaza teo fa tsaho iniana aely sy tsy voamarina ary fanenjahana azy ireo fotsiny izao ataon’ity tambazotra ity izao ary famotehana olona iniana atao mihitsy. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT