Tsy fandriampahalemana

Miha mahery vaika ny jiolahy, tsy hikoso-maso ny polisy


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

raha araka ny resaka nifanaovana tamina Inspekera iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Raha any Anosibe izy no mipetraka dia any Namontana no manao ny asa ratsiny dia tahaka izany hatrany. Tsy mety voafaritra mihitsy izay tena faritra mena hanjakan’ireo jiolahy noho izany hany ka tsy misy azo hatao ambanin-javatra ny faritra rehetra hoy hatrany ity inspektera iray ity. Hatreto raha araka ny fanazavany dia somary nangingina ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra taorian’ny nisian’ireo jiolahy miisa 2 nitondra basy sy sabatra voatifitra tetsy Anosibe herinandro mahery lasa izay. Miezaka miditra any an’elakelan-trano amin’ny fotoana rehetra rahateo hoy izy nanamafy ny teniny ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza dia notsiahiviny fa tena mila mitandrina ny tsirairay. Ankoatra ny tsy fampidiran’olona fahatany ao an-tokantrano dia nomeny ihany koa ireo laharam-pinday hahazoana azy ireo. Ny 0340551721 ohatra no hahazoana ny USI, ny 0340551722 ny UIR raha 0340751710 no hahazoana ny SAG. Mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ireo laharam-pinday ireo hahazoana mifandray amin’izy ireo mivantana.
Pati
Legende : Miofana mba hisambotra ireo jiolahy efa tena henjana eto amintsika ny USI sy ny SAG !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT