Fifamoivoizana

TSY FANARAHAN-DALANA ATAON’NY MPITATITRA Mitaraina amin’ny ATT ny olon-tsotra


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Mihagaboraraka hatrany ny asa fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra tato ho ato.

 

Ankoatra  ireo taksibe manary mpandeha an-dalana dia betsaka ihany koa ireo mpamily sy mpanampy azy no mahay vava, indrindra rehefa takian’ny mpandeha famerim-bola. Hanairana ny tompon’andraikitra dia olon-tsotra miisa telo no tonga nanatitra fitarainana teny amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT eny Ampasampito omaly. Fitarainana miisa 17 no nentiny  ka nisy ireo  taksibe mivantana mihitsy no nentina teny ny laharany raha nisy koa ny anaran’ny koperativa. Nandray azy ireo ny tale misahana ny ara-bola eo anivon’ny ATT ka fantatra fa hisy ny fivoriana maika hotanterahin’izy ireo miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny fitaterana ato ho ato handinihina ny tokony hatao. Narahina fanentanana ny olona mikasika ny fandefasana hafatra miafina ho an’ny ATT izany mikasika izay taksibe na koperativa manao tsinontsinona mpandeha hahafahana manavaka ny vary amin’ny tsiparifary. Nanambara moa ireto olon-tsotra ireto fa vonona ny hiady hevitra sy hitondra soso-kevitra koa izy ireo mandritra ny fotoana hisian’ilay fivoriambe.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT