Fifamoivoizana

Tsy fanajana ny fananana iombonana Misy manary fako sahady eny amin’ny Rocade


  • Talata 17 Aogositra 2021

Lalam-baovao tena miavaka ary manafaka ny ampahan’ny fitohanana eto an-drenivohitra ny Rocade d’Iarivo, lalana vaovao vao notokanana herinandro maromaro lasa izay

. Ny mampalahelo anefa dia misy manary fako sahady eny an-toerana, indrindra fa amin’ireo faritra somary takotakona. Efa misy manao maloto ihany koa ny sisiny, fihetsika izay tena mampalahelo ka tokony handraisana fepetra. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana dia ireo mpampiasa ity lalana ity ihany no manao ireny maloto ireny sy manary ireo fako samihafa izay misy amin’ny sachet plastika mihitsy ny an’ny sasany. Misy koa hoy izy ireo ireo mihinan-kanina anaty fiara ary manipitsipy ny fako fahatany rehefa mandalo ka mieritreritra kely akory izay fiantraikan’izany. Anisan’ny hetahetan’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny tokony hijeren’ny mpitandro ny filaminana ireo mpanary fako sy mpanao maloto ihany koa ankoatra ny fampianarana ny fampiasana ny lalana izay efa tanterahin’izy ireo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT