Fifamoivoizana

Tsy fanajana fepetra Taxi-be 39 nalefa foriera, an-jatony nosamborina…


  • Talata 30 Jona 2020

Omaly maraina hatramin’ny folo ora dia taxibe miisa 38 no tratran'ny Polisy tsy nanara-dalàna toy ny fanaovana taingim-be ….nefa mbola ao anatin’ny ady hatao amin’ny tsimokaretina COVID 19 isika.

 

 

 Misy amin'ireo fiara ireo no tratra mampiasa ireny "seza volamena" ireny, tao koa ireo mitondra mpandeha tsy manao aron-tava ankoatra ny tsy fampiasana gel désinfectant. Nampidirina ambalam-pamonjana avy hatrany ireo taxibe tratra ireo. Miisa 78 kosa ireo mpamily sy ny resevea ary mpandeha nampidirina violon mbola vokatr’izay tsy fanarahan-dalàna izay ihany. Tsy ny mpandeha an-tongotra irery araka izany no mahazo sazy fa hatramin'ireo fiara iombonana ihany koa izay arahin'ny mpitandro filaminana maso akaiky noho izy ireo mpitatitra vahoaka ka manamora ny fiparitahan'ny valanaretina covid-19. Ny Polisim-pirenena dia manamafy hatrany fa mila mifehy tena ny tsirairay manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina ka aoka mba samy ho tompon'andraikitra ary hiaro ny tenany mba ho fiarovana ny hafa ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT