Fifamoivoizana

Tsy fanajana fepetra Taksibe 38 naiditra «fourrière»


  • Zoma 22 Janoary 2021

Hentitra ary tena tsy nisomonga intsony ny minisiteran` ny fitaterana sy ireo

 

 

 


mpitandro filaminana amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara fitateram-bahoaka hita ho mbola manao antsirambina ny fiarovana ny ainy sy ny an’ny hafa manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa nahatratra 38 ireo fiara mpitatitra naiditra ambalam-pamonjàna mandritra ny folo andro teto Antananarivo Renivohitra ary voasazy mandoa lamandy tao anatin` ny roa andro, hoy ny tale jeranlin` ny fitaterana, Rtoa Rakotomalala Dina. « Ny fampiasana strapotin sy ny tsy famendrahana fanafody no tena mahavoasazy ny ankamaroan`ireo fiara fitaterana. Tsy nanàja fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Tao koa ny fanaovana “recollage” na fakana mpandeha ivelan` ny toby fiantsonana. Efa nisy fampatsiahivana nataon` ny minisitera saingy misy saofera sy revera manao tsirambina izany” hoy izy. Tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay hatrany moa ireo tomponandraikitra isan-ambaratonga samihafa , ny amin’ny tokony hanarahana ny fepetra sy lamina napetraky ny Fanjakana hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity, izay niha nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsivitsy izay teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT