Fifamoivoizana

Tsy fanajana fepetra anaty taksibe Efa miverina hatramin’ny taingim-be


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Vao tamin’ny herinandro no efa tsikaritra ho maro amin’ireo taksibe na fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina no efa tsy manome akora fanasan-tanana ireo mpandehany intsony.

 

Nandrasana ny fanaraha-mason’ireo tompon’andraikitra mikasika izany saingy raha ny zava-nisy hatramin’ny niafaran’iny herinandro iny aloha izany dia toy ny efa mihevitra ny Coronavirus ho tsy eto intsony ny ankamaroan’ireo olom-pirenena. Manomboka miverina hatramin’ny taingim-be anatin’izay fitaterana izay fa tsy misy ilay elanelanin’ny “seza volamena” araka ny fomba fiteny intsony ireo taksibe sasany. Ekena tokoa fa efa manomboka miha mafana ny andro saingy isan’ny tany faran’izay mafana eto ambonin’ny tany, ohatra, izany tany arabo toa an’i Qatar sy Arabia saodita izany no mbola tafiditr’ity valanaretina ity hatrany. Miditra tsikelikely anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra rahateo isika ankehitriny ary tsy vitsy ireo firenena niverenan’ity valan’aretina ity toa ny any Frantsa sy Sina ihany koa.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT