TSARASAOTRA IVATO

Mpitondra moto maty tsy tsa-drano


  • Talata 30 Jolay 2024

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa na ny moto eto amintsika.

Taorian’ilay tranga teny Ambohitrimanjaka ny faran’ny herinandro teo dia nahitana izany koa teny Tsarasaotra Ivato afak’omaly Alahady 28 Jolay hariva. Maty teo noho eo vokatr’izany ilay mpitondra moto, izay voalaza ho nifandona tamina fiara kely iray. Andro alina no nifanenan’izy ireo hoy ny loharanom-baovao azo ka sady potika ny lohan’ilay fiara no potika ihany koa ny vatan’ilay moto. Ankoatra ity farany dia mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana ihany koa teny amin'ny sampanana mankany Anosy Avaratra tamin’io afak’omaly hariva io ihany. Mbola moto sy fiara tratra hariva ihany koa no nifandona tamin’izany. Na izany aza tsy nisy ny namoy ny ainy. Mihoatra ny iray kosa ny naratra.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay moto sy fiara nifandona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT