Vonona hanatanteraka sidina ny kaompania Tsaradia araka ny toromariky ny Filoha Rajoelina.
Izany dia ireo sidina natiny hampifandray ireo faritra eto Madagasikara. Manamafy ny kaompania fa hametraka ireo fepetra sy fiarovana ara-pahasalamana isaky ny sidina izy mba hisorohana ny fiparitahan` ny valanaretina COVID-19. Eny amin` ireo ivontoerana indray dia tsy maintsy hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanaovana aro vava ary ny fampiasana “gel hydroalcoolique” na mpanjifa na ihany koa mpiasa eo anivon` ity kaompania ity. Mialohan` ny sidina kosa dia tsy maintsy manana filitiana 72 ora alohan` ny fihaingana, hoy ny kaompania. Izany taratasy fanamarinana izany dia tsy maintsy asehon` ny mpandeha rehefa hanainga izy ireo. Hisy ihany koa ny fitsapana maripana an` ireo mpandeha rehetra. Rehefa ao anatin` ny fiaramanidina indray dia tsy maintsy manao aro vava sy “gel”. Tsy hisy kosa ny fandrosoana sakafo, na fizarana samihafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nomarihan` ny Tsaradia hatrany fa ireo fiaramanidina ao aminy dia tsy maintsy hamendrahana fanafody avokoa. Raha tsiahivina dia ireo sidina mankany Toliara, Morondava, Sambava, Nosy Be, Toamasina, Sainte-Marie, Taolagnaro, Mahajanga, Maroantsetra ary Antsiranana ihany hatreto no nahazo fankatoavana avy amin` ny fitondram-panjakana hanatanterahina ireo sidina manomboka ny 01 septambra izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.