Fifamoivoizana

Tratry ny gafy sy ny hetraketraka Nilefitra hanao saran-dàlana 600Ar ny FMA


  • Zoma 22 Jolay 2022

Ahitsy ho 600Ar ny saran-dàlana ho an’ny FMA (Fitaterana Mirindra ho an’Antananarivo) taorian’ny savorovoro omaly.

 Izy ireo izay nilaza teo aloha fa 800Ar ny saran-dàlana ary vonona ny hisedra izay mety ho sazy mifandraika amin’izany. 700Ar no nampiharina nanomboka omaly. “Misy anefa ny hetraketraka, misy te hanakorontana, misy ihany koa ny fifamitahana eo amin’ny samy mpitatitra”, hoy ny Filohan’ny FMA Arilanto Randrianarisoa. Nidrikina tsy handoa afatsy 600Ar ny mpandeha taksibe teny Ilafy ao anatin’ny zotra 192 omaly. 700Ar no sora-baventy navoakan’ny taksibe, saingy tsy nety nandeha ny olona. Ny 80% amin’ny zotra 192 no tsy niasa omaly vokatr’io toe-javatra iny. Nisafidy ny hampihatra 600Ar ny FMA mba tsy ho tratry ny korontana, araka ny vaovao farany omaly satria tonga hatramin’ny hetraketraka sy famakiana fitaratry ny fiara ny zavatra niseho omaly, nisy taksibe vaky “parbrise”. Mbola manitrikitrika moa io vondrom-pitaterana io, fa mamono antoka ny saran-dàlana latsaky ny 800Ar, ary manantena izy ireo fa hisy ny dinika mba hampiharana ny 700Ar aoriana. Ny Fanjakana etsy andaniny, nijanona amin’ny tery vay manta amin’izay azony terena fa mifitsaka amin’ny mpandraharahan-tsolika, hany ka ny samy vahoaka no lasa mifandramatra. Asam-bahoaka ny asa fitaterana, fa fandraharahana misy mason-karena ihany koa ka mila jerena akaiky ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT