Fifamoivoizana

“Transport par cable” eto Iarivo Roa taona ny asa, “Cabines” 274 no hapetraka


  • Alakamisy 25 Febroary 2021

Zava-baovao nambara fa hotanterahina ao anatin’ny roa taona ny fitaterana “transport par cable”

 

 

 

eto an-dRenivohitra, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Azo heverina fa karazana “téléphérique” ihany io fa ny fiantsoana azy no novaina kely. Anosy-Ambatobe mirefy 9,21km antsoina hoe Zotra mena na “ligne rouge” ahitana fiantsonana 4 sy pylones miisa 19 ka 30 minitra no hanaovana izany; Anosy-Ambadinia (Zotra Mavo) 2,60km ahitana fiantsonana 8 sy pylons 56 ka ho 10 minitra eo ny faharetany dia tonga. “Cabines” 274 afaka mitondra olona 10 ka hatramin’ny 12 no hiasa amin’ireo zotra ireo ka eo amin’ny 28 000 ka hatramin’ny 38000 no ho voatatitra isan’andro, raha ny fanazavana ara-teknika. Mandritra ny 2 taona no hanatanterahana ny asa, ary nambara fa hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara ny taona 2023. Ny Orinasa POMA sy COLAS no hanao ny asa, ary efa eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Hiandraikitra ny fanarahana sy fanatanterahana ny asa ny Fiadidian’ny Repoblika, ny minisiteran’ny fitaterana, ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ary ny tanànan’Antananarivo. Mitohy ny fampanantenana, ary fomba fanao isaky ny filankevitry ny Minisitra io, indrindra tato anatin’ny vanim-potoana nafana. Efa noresahina ny Tramway eto Antananarivo, ny Autoroute Toamasina-Antananarivo izay nangingina indray aloha, ny Autoroute Andohatapenaka-Imerintsiatosika,… Tsy leo mampanantena ny fitondrana, saingy ny hoenti-manana aloha mbola baraingo. Asa ihany koa raha tena mifandraika amin’ny olam-bahoaka na izay aloha no mba revorevon’ny mpitondra dia tsy maintsy izay no atao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT