Fifamoivoizana

Tramway eto Antananarivo Omena 200 miliara ariary ny Madarail ?


  • Zoma 11 Septambra 2020

Ny 01 septambra lasa teo no namoahan’ny gazety Jeunes Afrique, fa omena volabe 50 tapitrisa euros na 200 miliara ariary eo ny Orinasa Madarail amin’ny tetikasa tramway eto Antananarivo.

 

 

 

 Tafiditra ao anatin’ny tohana na “subvention” ho an’io orinasa io, izay haompana amin’ny fanatanterahana ity tetikasa momba ny fitaterana eto Antananarivo ity izany. Nambaran’io fampahalalam-baovao io, fa hatolotry ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ao anatin’ny filankevitry ny minisitra io resaka io, saingy tsy mbola nisy an’izay aloha ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra afak’omaly alarobia. Tetikasa tsara sy mety ho vahaolana ho an’Antananarivo ny Tramway, ary ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina azan y 07 novambra 2010 dia nanao fanambarana tetsy Mahamasina fa efa any anaty sambo ny Tramway. Ny 22 jona 2020 teo indray no nilazany ny hanaovana ozinina fanamboarana fiara ary nisy ny fampahafantarana ny marika Gasycar niteraka resabe. Mbola nohamafisina teo ny hanaovana tramway eto Antananarivo. Ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ihany koa dia tsiahivina fa nampanantena fitaterana “téléférique” tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsara ny tetikasa, ary tokony hatao. Ny mampanahy sy mampametra-panontaniana kosa etsy andaniny, dia ny momba ny tsenan’asam-panjakana satria tsy takona hafenina fa mpandraharaha matanjaka akaiky ny Filoha no tompon’ny Madarail. Nisy antso tolo-bidy ve raha raikitra tokoa io sa kiantranoantrano ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT