Fifamoivoizana

TRAIN URBAIN Voaporofo indray ny fomba fiasa kitoatoa


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Tsikaritra teny amin’ireo toerana maro samihafa andalovan’io zotran-dalamby io fa tena mbola misy ny asa tsy vita, raha ny hita omaly tolakandro aloha. Mbola misy ny asa mila faranana ; iny eo ihany fa ny tena mampanahy dia ny eo amin’ny fifandraisan’ny lalamby sy ny arabe na ilay antsoina hoe « passage a niveau » satria dia samy mandalo eo daholo izany ny lamasinina, fiara, olona, sarety, posy bisikileta sy moto. Maivana dia maivana mba tsy hitenenana hoe tsy nisy ny fanentanana sy fanabeazana ny olona. Efa hita anefa fa misy ny lozan-dalamby eny Ampefiloha, Anosibe…Tetikasa tsy hoe kely ity Train Urbainity fa tena goavana satria tsy vitan’ny hoe rehefa mandeha ny lamasinina dia izay no vita. Izany hoe vao nanomboka ny tetikasa dia tokony efa voalaminany zava-drehetra sy ny tetiandron’ny asa, fa tsy aty amin’ny fotoana voatondro fa hiaingan’ny zotra vao hoe mbola misy fanaboarana ka mihemotra kely aloha.

Zotra SOARANO – AMBOHIMANAMBOLA
• Mirefy 12 km
• Ahitana Station miisa 5
• Mandalo eo Mandroseza - Ankadimbahoaka - Soanierana.
• Hisy fiaingana isaky ny 30 minitra
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT