Train Urbain eto Antananarivo

Amin’ny 2025 indray vao hiodina


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Tombanana ho azo ampisaina amin’ny 2025 ny train urbain na ny fitaterana an-dalamby eto Antananarivo

raha ny seraseram-panjakana omaly. Ankehitriny, nambara nandritra ny fitsidihana niainga teo Soarano hatrany Ambohimanambola nataon’ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo sy ny ekipany fa ny 60% amin’ny asa no efa vita tanteraka, tsy maintsy hisy asa mivaingana mialohan’ny hiafaran’ny taona, ka tombanana ho azo ampiasiana amin’ny 2025. Nambara fa efa mandeha ny fanafarana ny fitaovana, toy ny fiarovana ny mpandeha eny amin’ny fifanapahan’ny arabe sy ny lalamby, ireo « passage à niveau électrique » no isan’ny nafarana izay 11 eo. Misy ny fanentanana. Ao anatin’ny fanoloana ireo làlamby, ny gara, fametrahana ny herinaratra amin’izao. Mialohan’ny faran’ny taona, dia tsy maintsy hisy zavatra mivaingana, ary tokony ho azo ampisaina ny 2025, raha ny fanamafisana. Mihemo-dava tahaka ny tetikasa maro notanisaina ihany koa izany izy ity satria tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa dia efa nisy ny filazana fa ny 15 aogositra 2023 no hanomboka hiasa izy ity. Toa mampahatsiahy ilay resaka poakaty tamin’ny fampisehoana makety tamin’ny tetezamita fa efa anaty sambo ny « tramway » saingy efa am-polony taona aty aoriana tsy hita ihany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT