Train Urbain Antananarivo

Kasaina hatomboka amin’ny 15 desambra 2025


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Efa miditra amin’ny dingana farany

ny tetikasa Train Urbain Antananarivo. Manamafy ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Toetrandro (MTM) raha ny hita tao amin’ny pejin-tseraserany fa kasaina hatomboka amin’ny 15 desambra 2025 izany, raha mbola manafaingana ny fanomanana farany ny ekipa ara-teknika. Nanao tatitra momba ny fandrosoan’ny asa ny Tale Jeneralin’ny Fitaterana an-tanety, Jhanard Privat Andriamiarantsoa, omaly alarobia. Ny lalam-by dia mirefy 16 km manomboka eo Soarano ka hatrany Ambohimananambola. Efa voaorina ny toeram-piantsonana 10, ka 8 amin’ireo efa vonona ho amin’ny fanokafana. Ny fitaovana ampiasaina kosa dia locomotive diesel miaraka amin’ny voiture voyageurs 2, afaka mitondra hatramin’ny 300 mpandeha isaky ny dia. Efa voaofana ny mpiasa voatendry hiasa amin’ny fitantanana, ary hisy fanampim-pampidirana mpiasa araka ny filàna. Mbola eo am-pandalinana kosa ny saran-dalana, saingy tsy maintsy hahazoana antoka fa ho zakan’ny vahoaka, raha ny vaovao nivoaka omaly. Mandritra izany, efa mandeha ny fampahafantarana sy fanentanana ho an’ny mponina sy ny mpampiasa, ary mbola hampitomboina ao anatin’ny herinandro ho avy. Amin’ity tetikasa ity, mikendry ny ministera ny hanamaivana ny fitohanan’ny renivohitra, hanatsara ny fifindra-monina isan’andro, ary hanome safidy fitaterana azo antoka sy voalamina ho setrin’ny fitohanan’ny arabe tsy mitsahatra ao Antananarivo. Tao anatin’ny Fanjakana Rajoelina moa no nanaovana ity tetikasa ity, saingy tsy nety tontosa sy nandeha na efa nanaovana sehoseho sy andrana, ary efa namoahana dady mihitsy aza ny oktobra 2023 izy izay, saingy io mandeha io ny fampahafantarana fa dia hiodina ofisialy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT