Fifamoivoizana

Train Urbain an’Antananarivo Hanomboka hiasa amin’ny volana aogositra


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Hanomboka hiasa amin’ny volana aogositra ho avy izao ny Train Urbain na zotran-dalamby an-tanàn-dehibe eto Antananarivo.

Mampitohy an’Amoronkona by pass sy Soanierana ity zotra santatra ity ary ahitana fiatoana miisa 9 .Mpandeha 300 isan’ora no heverina fa ho zaka amin’izao fiandohana izao fa tombanana ho tafakatra hatrany ain’ny 3000 isan’ora izany rehefa tena mandeha tsara. Fialana amin’ny fatiantoka ara-toekarena vokatry ny fitohanana lavareny eto an-drenivohitra no antony nametrahana ny Train urbain, maafaingana kokoa ny fotoana lany amin’ny fivezivezena satria tsy misy fitohanana mihitsy, misy ora tsy maintsy hajaina fa tsy hoe manao vodihazo sy mijanona ela be eny amin’ny « arrêt » tahaka ny fanaon’ny taxibe. Fomba iray ialana amin’ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga ihany ko aizy ity raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitaterana izay nidina ifotony nijery ny firosoan’ny asa moa omaly. Tsy mbola fantatra mazava kosa hoe ohatrinona marina ny saran-dalana amin’ity Train urbain ity ; ho an’ny teleferika moa dia efa napetraka hoe 4000 Ariary isaky ny mitaingina, izay mavesatra raha ho an’ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.Ho hita eo indray ny momba ny fitaterana an-dalamby an-tanan-dehibe ity.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT