Fifamoivoizana

Tra-doza an-dranomasina Hita soamantsara ny Vedety Fagnole


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Tsy hita nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny vedety iray antsoina hoe Fignole. Teo anelanelan’ny fari-dranomasin’i Vohemar sy Antalaha no nitrangan’izany. Ny alatsinainy tolakandro teo anefa dia hita soamantsara ity vedety ity, taorian’ny fikarohana azy.

 

 

 Velona soa aman-tsara avokoa ireo ekipa tao anatiny, izay nahitana kapiteny iray sy lehilahy 3. Ny lakana Rayan tamin’io alatsinainy nahitana azy io ihany raha ny loharanom-baovao azo no nitarika ity vedety ity tany afovoan-dranomasina hamonjy ny seranan-tsambon’i Vohemar. Saika ho any Foulepointe moa ity vedety ity no simba tampoka teny am-pandehanana ny fitaovam-pamiliany.

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT