Fifamoivoizana

Tovolahy voahitsaky ny « sprinter » Vaky mbamin’ny karandohany


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Nisehoana lozam-pifamovoizana mahatsiravina indray tao Ambatolampy amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny omaly tolakandro.

 

 Tsy fantatra mazava izay tena fisehon’ny loza, fa tovolahy iray mpanosika borety no maty tsy tra-drano, ary potika tanteraka mihitsy ny lohany, ka niparitaka nameno ny arabe ny ra. Raha ny fanazavana vonjimaika dia voafaokan’ny fiara marika « sprinter » nandeha mafy izy ka tafasisika tany ambany mihitsy, ka voahitsaka ny lohany. Tsy nisy fialana nenina azo natao satria vaky hatramin’ny karandohany. Ny marainan’io ihany dia fiara kamio lehibe ihany koa no tra-doza teo anelanelan’Ambatolampy sy Antsirabe. Tsy hay na noho ny halaman’ny làlana fa dia nifatratra tao anaty sisin-dalana somary tevana kely feno rano ny lohan’ilay fiara. Feno rano avokoa rahateo ny an-daniny sy ny an-kilan’ny arabe, izay somary lala-mahitsy, ka mety variana na mamon’ny torimaso ny mpamily. Herintaona katroka omaly 9 janoary ihany koa, raha tsiahivina no nisian’ilay fiara marika Tata simba saingy voafaokan’ny fiara marika “sprinter” teo Ambatolampy hatrany, ka 2 no maty teo no ho eo tamin’izay fotoana izay.

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT