TOVOLAHY NITSAHIN'NY KAMIAO

Notetezin'ny kodiarana hatrany amin'ny lohany


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.

Raha araka ny vaovao azo dia voahitsaka tany amin'ny tongony ka hatramin'ny lohany ity tovolahy ity hany ka fisaka tanteraka. Raha araka ny fanazavan'ireo naman'ity tovolahy namoy ny ainy ity dia nahakitika ny sisin'ilay kamiao izay nanitsaka azy izy. Tsy nampoiziny ny fisian'ilay remorka taoriana ka ity farany no nitety ny vatany.Efa nampidirina am-balam-pamonjana ilay kamiao, ary efa nitolo-batana any amin'ny mpitandro ny filaminana ilay mpamily. Anio Alatsinainy 26 May no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Légende : Olona 10 isan'andro no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana toy izao eto amintsika! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT