Fifamoivoizana

Tovolahy 22 taona maty tao Manakara Fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika no nandona azy ?


  • Talata 29 Novambra 2022

Tovolahy vao 22 taona monja antsoina hoe: Dim no maty tsy tra-drano ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo tao Manakara tsy lavitry ny Lapan’ny tanàna na ny Hotel de Ville.

Lozam-pifamoivoizana no nahavoa azy raha nandeha moto takariva, ary nisy fiara nifanehitra taminy. Fiara takelaka mena na “plaque rouge” no voalaza fa nahavanon-doza, araka ny resaka niely, saingy tsy mbola nisy fanamarinana ofisialy momba an’izay aloha. Nisy mihitsy ny filazana tamin’ny tambazotran-tserasera facebook niparitaka omaly fa fiaran’ny fiadidian’ny Repoblika no nandona an’ity tovolahy ity fa nezahina nafenina ary naiditra avy hatrany tao amin’ny tranom-paty ny razana, ary ny fianakaviana izay nanao ny fikarohana no naheno fa maty tsy nisy mpikarakara ny zanak’izy ireo, ary ny alahady vao hita. Tsy nisy aloha hatramin’ny fotoana nanoratana ny fanamarinana na fandisoana na fiaran’ny fiadidian’ny Repoblika tokoa na tsia no nifanao lozam-pifamoivoizana tamin’ilay tovolahy, ka nahafaty azy. Ny azo antoka dia nisy ny dian’ny Filoham-pirenena tany an-toerana nitokan-javatra sy nametraka vato fototra ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana, nisy tokoa ny nanamafy fa fiara takelaka mena no nifanehitra tamin’ilay tovolahy, ka nahafaty azy. Fiaram-panjakana hafa sa an’ny fiadidian’ny repoblika tokoa? Raha ny fanamarihan’ireo havany, dia tsy nisy fanazavana, fa dia nalaina fotsiny ny razana, ary mbola miandry ny reniny izay ambanivohitra lavitra, raha ny fanampim-baovao. Talem-paritry ny fanatanjatahan-tena taloha tao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany izay efa nodimandry tamin’ny taon-dasa moa ny rain’ity tovolahy vao erotrerony namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Manakara ity, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT