Fifamoivoizana

Tovolahy 2 nodomin’ny “4x4” Maty tsy tra-drano ny iray


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Tovolahy miisa 2 mpiasan’ny G4S, misehatra amin’ireny asa fiambenana orinasa na trano lehibe ireny no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy fahefany alina teny Andoharanofotsy, ampitan’ny MaPizza.

 Nirava alina avy niasa ary hamonjy fodiana izy ireo no nofaohin’ilay fiara, ka maty tsy tra-drano ny iray izay 32 taona , ary naratra mafy kosa ny iray namany. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso, olona roa no tao anatin’ilay fiara, ary nahenoana. Raha ny fanampim-panazavan’ny nahita ny loza hatrany, dia nirimorimo tokoa ity fiara ity ary niala 7 metatra teo ho eo tamin’ny toerana nisokirana ny maty sy ny naratra teo  ambodin-tamboho nahavoa azy ireo ilay fiara, vao tafajanona. Raha vao nahare ity vaovao ratsy ity kosa ny avy amin’ny G4S, dia tonga teny an-toerana, haka ny marary hotsaboina eny amin’ny hopitaly sy hitondra ny razana eny amin’ny tranompaty. Ireo nitondra ny fiara kosa nentin’ny mpitandro ny filaminana natao fanadihadiana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT