Fifamoivoizana

Tontolon’ny fitaterana Nodimandry ny filohan’ny UCTU


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Nodimandry omaly zoma 15 septambra Andriamatoa Bernardin Andriambinintsolomora filohan’ny UCTU na ny “Union des cooperatives de transport urbain”.

 

 Nanaitra  ny maro tokoa ny fandrenesana izao fahalasanany tampoka izao. Ny alakamisy 14 septambra teo mantsy dia mbola tazana salama tsara izy niatrika ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety niaraka tamin’ny lehiben’ny sendikan’ny Taxi ville sy ny mpitatitra. Na dia efa zokinjokiny ihany aza ny prezida Bernardin dia mbola tena mavitrika amin’ny asany ary maro ny mpanao gazety no mahafantatra tsara azy. Mahitsy fitenenana izy kanefa be hanihany ihany koa. Ny aina moa tsy mifametra ary tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso. Nanaitra ihany izao fahalasanany tampoka izao, indrindra fa ao anatin’ny vanim-potoana mafampana ny sehatry ny fitaterana eto an-drenivohitra ary anisan’ireo re sy tazana matetika amin’io tontolo io izy. Anisan’ny delegasionina niondrana tany Chine raha nisy ny tetikasa amin’ireo fiara fitateram-bahoaka moderna i Bernardin Andriambinintsolomora ary  niady mafy hatrany ny amin’ny fiarovana ny zon’ny mpitatitra sady nanome toky ny fiezahan’izy ireo hanaja ny bokin’andraikitra sy ny kalitaon’ny asa atolotra ny mpanjifa. Mety fanombohana ihany ny an’i tompokolahy fa andrasana ny fanohizan’ireo izay mety handimby azy. Mirary fiononana sy mankahery ny fianakaviany ny Gazety Tia Tanindrazana 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT