Tontolon’ny familiana kodiaran-droa

Hofehezina amin’izay fa mamono olona…


  • Alarobia 05 Jona 2024

Tsy mety intsony fa tsy maintsy hofehezina amin’izay ny tontolon’ny familiana kodiaran-droa eto amintsika manomboka izao.

Raha araka ny fanadihadiana nataon’ny foibe fitsarana fiarakodia mantsy dia ny 30%-n’ireo loza mitranga eto an-drenivohitra dia saika avy amin’ny moto avokoa. Hahafatesana olona hatrany izany amin’ny ankapobeny raha tsy lazaina intsony ireo maratra. Ho an’ireo tratra mamo toaka eo am-pamiliana moa dia fantatra fa tsy hanaiky izany intsony ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy handraisana fepetra ho fiarovana ny ain’ny mpamily sy ny olona entiny. Ho an’ireo tsy mahalala lalana indray dia hohampianarina sy hanaovana fanentanana izy ireny indrindra fa ny mikasika ireo moto ilana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia sokajy A ho an’ireo latsaky ny 125 cc. Hisy moa ny festival lehibe hokarakarain’ireo mpitia moto rehetra eto an-drenivohitra ny datin’ny 03 sy ny 04 Aogositra ho avy izao hahafahana mifehy ity tontolo iray ity.
Pati
Legende : Ny moto matetika no mitera-doza eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT