TOLIARA

Fiara roa no indray nivadika, samy namoizana aina


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Lozam-pifamoivoizana miisa 2 no indray nitranga tany amin’ny distrikan’i Toliara II ny faran’ny herinandro teo.

Ny iray taxi-brousse nivadika izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olon-kafa miisa 5. Raha araka ny fantatra dia taxi-brousse mampitohy ny kaominina ambanivohitr’i Soalara sy Efoetse no nivadika io omaly Alahady 19 Novambra maraina. Teny an-tsasa-dalana no nitranga ny loza. Raha araka ny vaovao azo dia vokatry ny haratsian’ilay fiara nitondra ireo mpandeha no niteraka ny loza. Efa tsy tokony hiasa intsony mantsy izy io saingy mbola mandeha mitatitra olona ihany. Ny fisavana sy ny fanaraha-maso azy ireny any an-toerana ihany koa tsy ara-dalana, ny mpifaninana tsy misy ka izao namoizana ain’olona izao. Ho an’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay nitondra razana avy any Bekily indray dia teo an-tampon’Ihorombe izy ireo no tra-doza raha nikasa ho any amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo. Ny Sabotsy alina18 Novambra alina lasa teo no nitrangan’ny loza vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay fiara. Nisy ihany koa ny namoy ny ainy vokatr’izany raha nisy ireo naratra mafy. Taxi-brousse avy any Fianarantsoa ho any Toliara no nitondra ireo maratra ireo tany amin’ny CSB II Ranohira mba hotsaboina.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay taxi-brousse nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT