Tolagnaro

Tojo olana ny sambo iray , olona iray tsy hita popoka


  • Talata 03 Septambra 2024

Sambo iray no fantatra fa mitady ho rendrika any Tolagnaro any.

MS Iharana no anaran’izy io, sambo mampitohy an'i Toamasina sy Tolagnaro. Tafahitsoka any amin’ny 200 m eo amoron-tsirak' i Amparihy any Firt-Dauphin na Tolagnaro ity sambo ity raha ny vaovao azo omaly Alatsinainy hariva. Miisa 32 ny olona tao anatiny ka ny 11 tamin'ireo no efa afaka tao anatiny raha olona iray kosa no tsy hita popoka izay ahiana ho nanavo-tena koa kinanjo nafoiny hatramin’ny ainy. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nahomby avokoa ny ezaka rehetra nanavotana ireo olona 21 ambiny. Ratsy dia ratsy mantsy ny toetr’andro any an-toerana no sady mahery vaika ny onja. Efa nidina ifotony nijery akaiky izao tranga izao ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin’iny distrikan’i Tolagnary iny .
Nangonin’i Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT