Fifamoivoizana

Toerana hijanonan’ny taksibrosy isaky ny kaominina Hokarakarain’ny Hafari Malagasy


  • Zoma 04 Janoary 2019

Mbola vitsy ireo toerana tokony hijanonan’ireo taksibrosy mivoaka eto an-drenivohitra, indrindra fa ny mihazo ny lalam-pirenena faharoa.

 

 

Anisan’ny antony mampahazo vahana ny fitohanana eny Mandraka izany vokatry ny fijanonan’ireo fiarabe semi-remorque eny amoron-dalana. Tsy lazaina intsony ny firongatry ny tsy fandriampahalemana toy ny halatra gazoala ataon’ireo jiolahy. Mba handrindrana ny fifamoivoizana sy hitandroana ny ain’ireo mpamily mivoaka any amin’ny lalam-pirenena ary dia hiantsehatra amin’ny fikarakarana ny toerana tokony hijanonan’izy ireny indray manomboka izao ny fikambanana HAFARI Malagasy. Toerana maro raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina no hanatanterahana ny asa toy ny ao Anjiro Moramanga, ny ao Behenjy, ny any Ampanotokana, Ambohidroa, Miarinarivo. Efa nahazoan’ny fikambanana alalana avokoa ny fananganana ny toerana izay marihina fa hiampy toeram-pivarotan-tsolika, toerana handrian’ny mpandeha ( bungalow) ary tsena maro samihafa. Ong sy fiarahamonim-pirenena maro no hiara-kifanotrona amin’ny Hafari amin’ny fanatanterahana izany, tohanan’ny orinasa Jovena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT